Sport

Kitra – Ligin’Analamanga Nahazo fitaovana avy amin’ny Japoney


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Nosafidian’ny fikambanana japoney «Social Artist Center» tarihin-dramatoa Takato Kato ny ligin’Analamanga hotolorana fanampiana ara-pitaovana ho an’ny baolina kitra sokajy zandriny.

 

 Vola nangonina tamin’ny alalan’ilay tetikasa «Become One» tany Japana ny oktobra 2014 hatramin’ny martsa 2015 izay nahatratra 162.000 yens ary misanda 4.000.000 Ariary no nentina nividianana fitaovana toy ny baolina miisa 70, fanamiana filalaovana 80, … no natolotra ny ligin’Analamanga tamin’ny alalan’ny filohany, Rakotoarimanana Henintsoa teny amin’ny foiben’ny federasiona. Tanjon’io fikambanana japoney io ny fanampiana ara-pitaovana rafitra mampandroso ny baolina kitra eny ifotony. Tany Kenya no efa nisantarana ity tetikasa ity ka i Madagasikara ny firenena faharoa misitraka izany. Nosafidiana manokana moa Analamanga izay efa manana mpilalao zandriny maro sy manana politika mahakasika ny kitra ho an’ny sokajy zandriny ary hita matotra indrindra amin’ireo ligy rehetra misy eto amintsika. Nanatrika ny fotoana fanolorana ny fitaovana teny amin’ny foiben’ny FMF Isoraka ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny solontenan’ny masoivoho japoney eto Madagasikara ary ny sekretera jeneralin’ny federasiona malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT