Sport

Kitra – Licence A CAF Mpanazatra ngezalahy 20 miofanana any Mahajanga


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Ho tohin’ny dingana voalohany amin’ny fiofanan’ireo mpanazatra natao teny Carion ny 20 aprily hatramin’ny 2 mey teo dia tontosaina any Mahajanga indray ny 15-27 jona ny dingana fah-2 fanofanana ireo mpanazatra “Licence A CAF”.


 Mpanazatra 20 no manaraka ity fiofanana omen’ny kaofederasiona afrikana ity izay sambany sy voalohany eto amintsika. Mitarika azy io ny tale teknika nasionaly sady mpampiofan’ny CAF, Debon Jean Francois miaraka amin’ilay manampahaizan’ny Fifa, ilay frantsay Yvon Avry. Mbola hisy koa manampahaizana hafa aty Afrika hanatevina ny fampiofanana amin’ny herinandro ambony. Marihina fa ireo mpanazatra nahavita ny fiofanana “licence” B sy C no afaka manaraka izao fiofanana izao hany saika ireo tena sangany sy ngezalahy sisa tafita manaraka ny fiofanana any Mahajanga. Anisan’izany ry Rajaonarisamba Franck, mpanazatra nasionaly, Raux Auguste, Rasoanaivo Etienne (Titi), Rakotondrabe Romuald (Roro) ary Razafindralambo Jean Paul izay samy efa nitantanana klioba goavana sy ny ekipampirenena. Niompana tamin’ny lafiny teknika sy takatika ny dingana voalohan’ny fiofanana ary hifantoka amin’ny fanomanana ara-batana sy fitsaboana ary fitantanana indray ity dingana faharoa ity.

Rasanda Serge

Ireo mpiofana tao amin’ny kianja Rabemananjara

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT