Sport

Kitra - Lalaon’ny Nosy 2019 any Maorisy Hifandona i Madagasikara sy Seychelles rahampitso


  • Zoma 19 Jolay 2019

Nanainga lasa atsy amin’ny Nosy Maorisy omaly alakamisy 18 jolay ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy na ny “JIOI 2019”. Hanomboka anio 19 jolay izy io ary hifarana ny 28 jolay.

 

Vonona tanteraka hiaro ny voninahi-pirenena ny Barean’i Madagasikara. Nialoha ny fiaingana dia nozaraina tamin'ireo mpilalao ny “indemnités” rehetra azo avy amin'ireo minisitera maro nanampy, navoaka ho hitan’ny mason'ny rehetra ary avy eo notsinjaraina mitovy ho an'ny tsirairay. Ankoatra ny minisiteran’ny raharaham-bahiny nanome 5 tapitrisa Ariary, dia nanolotra 4 tapitrisa Ariary ny minisiteran’ny tontolo iainana, 4 tapitrisa avy amin’ny orinasa ETT, 2 tapitrisa avy amin’ny SMTP, 5 tapitrisa avy amin’ny Ocean Trade. Omaly dia efa nandeha ny lalao baolina kitra. Ho an’ny vondrona A ahitana an’i Maorisy, Madagasikara ary Seychelles dia nisaraka ady sahala 1-1 i Maorisy sy Seychelles. Rahampitso kosa no hifandona i Madagasikara sy Seychelles, izay inoana fa hotrongisin’ny Barea. Valin’ady kosa ny antsika rehefa hifandona amin’ny Maorisy satria izy ireo no nandavo antsika 3-1 tamin’ny fiadiana ny laharana faha-3 tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2015. Ho an’ny vondrona B, dia nomontsanin’i La Réunion tamin’ny isa 4-0 i Maldives ary resin’i Mayotte 2-0 kosa i Kaomoro.

 Toky R 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT