Sport

Kitra - Lalaon’ny Nosy Tsy afaka hiantso mpila ravinahitra i Madagasikara


  • Alarobia 20 Mey 2015

Tafaraka vondrona amin’i Seisela tompon’anaram-boninahitra ny Barea lehilahy ary tafaraka amin’i la Reunion ny vehivavy. Voarafitra tamin’ny herinandro lasa teo ireo vondrona ho an’ny taranja iombonana amin’ny Lalaon’ny Nosy ka anisan’izany ny baolina kitra. Ho an’ny lehilahy dia tafaraka vondrona amin’i Madagasikara i Seisela, ekipa tompondaka farany

miampy an’i Mayotte sy Maldives. Sambany koa hisy ny fifaninanana baolina kitra vehivavy amin’io Lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion amin’ny volana aogositra io ka ao amin’ny Vondrona B no misy antsika malagasy, tafaraka amin’i la Reunion, Maorisy ary Kaomaoro. Nanamarika moa ny federasiona malagasy fa tsy afaka hiantso ireo mpila ravinahitra noho ireo datim-pifaninanan’ny Fifa ka ireo mpilalao eto an-toerana no tena handrafitra ny Barea. Saika ireo mpilalao efa nisongadina tamin’ny fifaninanam-pirenena teo ihany no ankamaroany ary efa nanaraka fampivondronana in-3. Mpilalao 20 moa izy ireo izay miatrika ny Cosafa Cup any Afrika atsimo. Mpanazatra ny Barea lehilahy Rajaonarisamba Franck ary mpanazatra ny vehivavy kosa Rakotomalala Johary sy Randrianarison Bruno. Vao hanomboka ny fampivondronany kosa ny vehivavy anio hatramin’ny 30 mey. Marihina fa manomana ihany koa ny Lalao afrikanina ny Barea vehivavy ary efa nihaona tamin’i Botsoana, resy 1-0 tany Botsoana ny 6 martsa teo. Mpilalao 35 no nantsoina hanaovana fifantenana sy hotsapaina ho eny Carion ho an’ny vehivavy.

Rasanda Serge


Ireo vondrona

Lahy :

A-Seisela, Mayotte, Maldives, Madagasikara

B-Reunion,Maorisy, Kaomaoro

Vavy :

A-Mayotte, Maldives, Seisela

B-Reunion, Maorisy, Madagasikara, Kaomaoro

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT