Sport

Kitra – Lalaon’ny Nosy Misy teratany vahiny manampy amin’ny fanomanana ny Barea vehivavy


  • Zoma 22 Mey 2015

Raikitra nanomboka ny alatsinainy teo ny fampivondronana voalohany ho an’ny Barea vehivavy hiatrika ny Lalaon’ny nosy hatao any La Reunion ny 1-9 aogositra. Marihina fa sambany hisy ny fifaninanana baolina kitra vehivavy amin’ity Lalaon’ny Nosy ity

 

. Mpilalao 35 no nantsoina hanaraka ny fampivondronana voalohany. Nisy ny fitsapana ara-teknika sy ara-batana natao teny Carion ny alarobia teo izay teo ambany fiahian’ny tale taknika nasionaly, Debon Jean Francois niaraka tamin’ilay tomponandraikitra vahiny avy amin’ny Fifa, Yvon Avry izay manaramaso teknika sady mijery ihany koa ny lafiny fitantanan-draharahan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Mpilalao 25 amin’ireto miatrika ny fampivondronana voalohany ireto ihany moa no hotazonina hanaraka ny fampivondronana fah-2 izay hatao ny 8-21 jona. Mbola hihena hatrany io tarehimarika io ka 20 no sisa tena handrafitra ny Barea amin’ny fampivondronana fah-3 hanomboka ny 7 jolay ary handeha hihazo an’i La Reunion. Tsiahivina fa efa voafaritra ny 15 mey teo ny fizaram-bondrona ho an’ny Lalaon’ny Nosy ka ao amin’ny vondrona B no misy an’ny Barea vehivavy tafaraka amin’i Maorisy, la Reunion ary Kaomaoro. Ao amin’ny vondrona A kosa ahitana an’i Maldives, Seisela ary Mayotte. Tsiahivina ihany koa fa efa niatrika ny fifanintsanan’ny Lalao Afrikanina tamin’ny volana febroary teo ny Barea vehivavy ary resin’i Botsoana 1-0.

 

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT