Kitra_Lalao manasa-dàlana

Mahaliana ny fihaonan’ny Barea sy Kaomoro


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Vita ho azy ny fanomanana ny tompondakan’i Afrika na CAN manaraka,

raha izao fihaonana hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra mandritr’ity lalaon’ny nosy atao eto Madagasikara ity izao no mitohy. Mahaliana ny fihaonan’ny Barea na ny ekipam-pirenena malagasy sy ny ekipam-pirenen’i Kaomoro anatin’ny manasa-dalana ny alakamisy 31 aogositra izao manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Ry zareo kaomorianina izay azo lazaina ho namiratra nandritry ny CAN 2021 tany Kameronina ary na ny faharesen’izy ireo 2 noho 1 nanoloana ny mpampiantrano tamin’ny lalao 1/8n-dalana aza mbola adihevitra be tamin’ireny fotoana ireny. Inoana fa Kaomoro sy Barea hanome endri-dalao mahafinaritra ity manasa-dalana ity ka dia “Alefa Barea!” hatrany moa izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT