Sport

Kitra – Lalao fitsapana Montsan’ny Ajesaia ny ekipan’ireo mpila ravinahitra


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Nomen’ny Ajesaia lesona ary noreseny tamin’ny isa 3-0 omaly tetsy Mahamasina ny ekipa nivondronan’ireo mpila ravinahitra avy any La Réunion sy Frantsa.

 

Lalao ara-pirahalahiana tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny ekipa tompondakan’i Madagasikara izay hiatrika ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-14 ary hihaonany amin’ny USS Tamponnaise afaka tapa-bolana izy ity. Vao nanomboka kely ny fihaonana dia efa nampiditra ny baolina voalohany ny ekipan’i Taninkatsaka, dakan’i Tsiry izay voatohan’i Damien mpiandry harato no mbola narahiny fa nidona tamin’ny tsatoby ka i Bôlida no namarana azy (13’). I Tsiry kosa avy eo no tompomarika tamin’ireo baolina roa ambiny, rehefa tafaporitsaka ka nanao iray sy iray tamin’i Damien (37’) ary tany amin’ny fizaram-potoana faharoa rehefa tsy nahasakana ny baolina i Fôsy vodilaharana dia notsoriahan’i Tsiry nailika tany anaty harato ny baolina (68’). Nanana fanafihana tsara vitsivitsy ihany ry Britton sy ny namany saingy voatohan’i Ando mpiandry harato avokoa izany. Mbola hiatrika lalao fitsapana roa hafa, amin’ny Akademia ny Antsika sy Cnaps sport moa ny Ajesaia mialoha ny hihaonany amin’ny USS Tamponnaise.
Tsy nisy nitoko ny As Adema sy Japan
Niatrika lalao fitsapana koa ny As Adema ny sabotsy teo tetsy Mahamasina ihany nifanandrina tamin’ny Japan Actuel’s ary nisaraka sahala tsy nisy nitoko. Marihina fa tompomarika tamin’ny fikarakarana ireo lalao ara-pirahalahiana maro natao ny faran’ny herinandro teo ny Galactic futbol ka toy izao ireo vokatra hafa : ny SOE nandresy ny Galactic 2-0, ny Jovenna nandavo ny mpanao gazety 5-3 ary ny orinasa Japan nampiondrika ny Netter Madagascar.
 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT