Sport

Kitra – Lalao fitsapana Lavon’ny Barea ny ekipan’Analamanga


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Notsapaina tamin’ny ekipa voafantin’Analamanga omaly tolakandro teny Carion ny Barea izay manomana ny Cosafa Cup hatao any Afrika atsimo (17-30 mey). Tafavoaka nandresy tamin’ny isa 2-1 tamin’io ny ekipan-dRajaonarisamba Franck


 ka i Rinho mpanafiky ny AS Adema avokoa no nampiditra ny baolina roa ho an’ny ekipam-pirenena tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany (2’, 20’). I Julien kosa no nahafaty ny baolina tokan’Analamanga efa tany amin’ny fotoana faran’ny lalao (85’). Hivoaka amin’izao fiandohan’ny herinandro izao moa ny lisitr’ireo mpilalao 20 hotazonina hiatrika io lalao kaontinantaly any Afrika Atsimo io. Tsiahivina fa ekipa 12 no miatrika azy io ka i Madagasikara dia tafaraka vondrona amin’i Tanzania sy Soazilandy ary Lesoto.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT