Kitra_Lalao ara-pirahalahiana

Resin’ny Ligy Analamanga ny mpanao gazety


  • Talata 16 Janoary 2024

Niady ny baolina teo amin'ny Ligy Analamanga sy ny mpanao gazety ny alahady

teo tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus Efa nitarika 2 noho 0 ry Tota vao tena namoaka ny fahaizany ireo namana mpanao gazety. Daka mandrivorivo teny amin'ny 25 m nataon'i Davis Midi no nampihena ny isa. Marihina moa fa mbola nilalao tao amin'ny ekipan'ny Ligy ity i Setra sy Rado Rasoanaivo izay samy mbola mafy be. Mbola tsy tena very fa mavesatra kely fotsiny koa i Jimmy Koundé. Sahirana noho izany ny mpanao gazety nefa efa nampoizina ihany hoe hiantso mpilalao matanjaka ry zareo satria mbola manala vela. Io andro io koa no nampisehoan'ny mpitsara Haja Fabrice ny fahaizany nandritra ny lalao nifandonan'ny Discipkes FC sy US Pro. Ity farany izay tsy nitsanga-menatra aza moa dia nilaza fa hanao Pro League hisolo ny toeran'ny USCAFOT. Efa nisy fito lahy rahateo ny mpilalaon'ny Kaominina no nanampy sahady ny US Pro.
Clément RABARY
Sa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT