Kitra, lalao ara-pirahalahiana

Nandresy ny Club M ny Disciples


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Nanao lalao ara-pirahalahina tamin'ny ekipam-pirenena Maorisianina ny Disciples FC talohan'ny

niangany hiazo an'ny Afrika Atsimo. Lalao izay tena nahafahan'ny mpanazatra Mamisoa Razafindrakoto nampijoro ireo izay mbola tsy dia nanao lalao iraisam-pirenena ihany. Vokany dia i Faniry sy Joma kely ilay mpiandry tsatokazo fahiny no namono ny baolina roa. I Drogba ilay mpilalaon'ny Fosa Juniors taloha no nampiditra ny baolina fahatelo. Midika izany fa miverina amin'ny heriny ity mpilalao avy any Mahajanga ity rehefa nolazon'ny aretina am-bolana maro. Tena mety tsara izany satria mbola misy an'i Tendry sy Dahery ihany koa amin'ny famonoana baolina manoloana ny Orlando Pirates ny zoma ho avy izao.Betsaka ny fanantenana hoy ny mpanazatra mpanampy Rija Juvence Rakotomandimby fa mila mifantoka tsara satria tsy dia manary baolina firy ireto Afrikanina Atsimo ireto.Manantena ny fanohanana avy amin'ireo Malagasy mipetraka any ny Disciples ary maromaro ihany izy ireo hpy ilay tsy mahay manisa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT