Sport

Kitra – Inter-sections 2009 Tafaverina sokajy D1 indray ny SOE


  • Alarobia 14 Aprily 2010


Notanterahina omaly teny Alarobia ny lalao famaranan’ny «inter-sections D2» taom-pilalaovana 2009. Notohizan’ny filohan’ny ligy vaovao Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta) izany ny fifaninanana efa natomboky ny ekipan-dRafalimanana Norbert tamin’ny taona lasa. Voahosotra ho tompondaka 2009 ny SOE rehefa nandresy ny Sporting Club Tanà tamin’ny isa 5-3, efa tany amin’ny fanalavam-potoana. Efa nananontanona ihany ny fandresen’ny ekipan’i Zakabe mpanazatra ny Stade tao antin’ny 90 minitra fe-potoana ara-dalàna satria efa nitarika 3-2 ny ekipany taty amin’ny faramparan’ny fotoana. Mbola ny SCT no nahatafiditra voalohany (Rahajarison Jean Patrick : 8’) ary nanasahala ny isa avy eo ny SOE (Rakotoalison Mamitiana :15’). Nitarika 2-1 indray ny Sporting (Mamonjitiana Edgerton : 50’) ary nanenjika nampitovy ny isa ho 2-2 indray ny Stade (Razafimaro Rado : 72’). Taorian’io no nahatafiditra ny baolina fahatelo ho an’ny SOE Rakotoarifanahy Eric (82’) saingy voasahalan’ny SCT ho 3-3 ihany tany amin’ny minitra farany (Ramarotafika Alain : 89’). Niroso tamin’ny fanalavam-potoana ary teo vao tafita ny SOE rehefa nahatafiditra baolina roa fanampiny Rakotoarimanana Tolojanahary na Rakotokely (100’, 119’). Tafaverina ao amin’ny D1 indray izany ny SOE izay nivarina ho D2 tamin’ny 2007. 

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT