Sport

Kitra -FUTSAL karakarain’ny CUA Hifandona amin’ny Polisy ny Boriboritany voalohany


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Ny zoma 21 septambra ho avy izao no hotontosaina ao amin’ny kianja Mitafon’i Mahamasina ny famaranana ny lalao foot à 7 fantatra amin’ny anarana hoe FUTSAL,

 

 

izay karakarain’ny Kaominina  Antananarivo Renivohitra (CUA). Lalao maromaro no ho hita ao mandritra izany. Hanombohana ny hetsika ny dihy mirindra Zumba. Aorian’izay  ny fiadiana ny laharana faha-3 fair-play na ny 3ème place fair-play, ka ny DTMU hifandona amin’ny 5è Arrondissement, arahin’ny fiadiana ny  laharana faha-3 na ny 3ème place, hikatrohan’ny DCVC SPORT sy ny DRH. Manarak’izany ny lalao famaranana fair-play,  ny 4è Arrondissement hifandona amin’ny ESPACE VERT. Avy eo ny lalao famaranana lehibe ho amin’ny tompondaka, ny 1er Arrondissement hifampitady amin’ny polisy monisipaly. Hisy ny fizarana medaly sy amboara ho an’ireo rehetra mendrika mandritra ireo lalao ireo. Hiatrika ny famaranana ny lalao FUTSAL ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT