Kitra Frantsay

Tompondakan’ny Ligue 2 sady tafakatra Ligue 1 ny AJ Auxerre


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Herintaona aty aorian’ny nivarinany tao anatin’ny Ligue 2, voahosotra ho tompondakan’ny Ligue 2,

ary tafaverina ho ao anatin’ny Ligue 1 ao Frantsa ny AJ Auxerre misy an’ireo mpilalao Malagasy roalahy Rayan Raveloson sy Sony Laiton. Na mbola misy lalao roa aza dia voahosotra ho tompondakan’ny Ligue 2 izy ireo taorian’ny fandreseny 2-0 an’i Paris FC ny sabotsy teo. I Rayan Raveloson no angady nanana ny baolina maty faharoa nanamafy ny fandresena satria baolina voatsaingony teo amin’ny minitra faha-57 ka notaritiny ary natolony an’i Ado Onaiwu raha toa ka baolina matin’ilay Malianina Sinayoko (22’) ny baolina voalohany. Tao anatin’ny lalao 36, nahazo fandresena 20 sy ady sahala 10, ary faharesena 6 ny AJ Auxerre. Mitarika amin'ny isa 70 raha toa ka manana isa 64 kosa ny AS Sainte Etienne laharana faharoa izay voatazon’i Guingamp 2-2. Lalao roa sisa dia hifarana ny taom-pilalaovana saingy mitarika lavitra amin’ny baolina maty (+20) izy ireo ka i SCO Angers sy Sainte Etienne izay samy manana isa 64 no mifanenjika mafy hahazo ny tapakila faharoa hiakatra Ligue 1, raha efa mazava ny an’ny Auxerre. Ho an’i Rayan Raveloson, dia isan’ireo mpilalao mamiratra sy andrin’ny ekipa, ary anatin’ireo tsara naoty indrindra. Nahafaty baolina 4 tao anatin’ny taom-pilalaovana, nahavita tolotra na « passe decisive » 5 tao anatin’ny taom-pilalaovana. Mpiandry toerana kosa hatreto i Sony Laiton satria ao anatin’ny heriny tanteraka i Donovan Léon mpiandry harato tompon-toerana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT