Nazava ny fandresen’i Ahmad. Tontosa tao amin’ny Sofia Hotel Fianarantsoa ny sabotsy teo ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.
Lany ho filoha fanindroany indray i Ahmad izay efa nahavita fe-potoam-piasana iray nanomboka tamin’ny taona 2004 ankoatra ny efa nandimbiasamy an’i Benony Jacques raha nisy ny savorovoro teo amin’ity taranja ity tamin’ny 2003. Fiodinana iray monja dia vita ny fifidianana ka ligy 14/22 (63,64%) no mbola nametraka ny fitokisany tamin’ity filoha am-perinasa ity na dia teo aza ny fanovana nandrasan’ny maro. Mpifanandrina lehibe nandrandrain’ny maro i Rabekoto Arizaka Raoul izay laharana faharoa raha ligy fito (31,82%) no nandatsa-bato ho azy. Vato iray kosa ny an’i Amady Joseph (4,55%) raha tsy nitoko mihitsy ireo kandida telo ambiny dia i Benony Jacques sy Ramiarinarivo Mamy ary Rakotomalala Celin. Kabary nifandimbiasana moa no nanokafana ny fotoana ka anisan’ny nafonja sy nanindrona tamin’izany ny an’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa izay nanamafy ilay fijerin’ny olona manao hoe “marary ny kitra” ary novalian’i Ahmad hoe “tsy ny kitra no marary fa ny firenena mihitsy”. Avy eo dia niroso tamin’ny fivoriambe (AGO) hafahafa izay nanaovan’ny ekipan’i Ahmad tatitra tamin’ireo filoha vao lany herinandro mialoha ity fifidianana tany Fianarantsoa ity ary namoaka fa nankato 100% ny fitantanan’i Ahmad sy ny ekipany ireo ligy vaovao. Nolaniana tao koa fa haharitra efa-taona manomboka tamin’io fifidianana io, tsy toy ny an’ireo federasiona hafa fa manaraka ny fotoana hanaovana ny Mondial ny fe-potoam-piasan’ireo mpitantana. Nitarazoka be ihany, efa tamin’ny telo ora tolakandro vao raikitra ny fifidianana filoha ary efa tamin’ny fito hariva vao vita ny fifidianana ireo komity mpanatanteraka folo. 38 tamin’ireo kandida 41 moa sisa no tonga nifaninana. Niteraka resabe tokoa ity fifidianana komity mpanatanteraka ity satria nisy kandida zara raha nilomano sy fantatra tao anatin’ny tontolo no voafidy sy nahazo vato betsaka, ka nampiahiahy ny maro.
Hery Rabe
Komity mpanatanteraka
1-Andriamiasasoa Doda (vato 16)
2-Andrianomenjanahary Brice (15)
3-Eliezar (15)
4-Rakotomamonjy Nepatraiky (13)
5-Rakotonirainy LG (11)
6-Rasoanaivo Etienne Rado (11)
7-Rajeriarison Patricia (11)
8-Rakotoarimino Theodore (10)
9-Raobijaona Bruno (10)
10-Andriamalazaony Aurelien (8)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.