Sport

Kitra - Fitsarana baolina Ligim-paritry telo no miombom-peo hanova


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Niainga avy amin’ny fitarainan’ny klioba FCV Vakinankaratra mikasika ny zava-niseho tamin’ny lalao Poule des As nihaonan’ny Fosa Junior Boeny sy ny FCV Vakinankaratra tamin’ny 2 septambra teo tany Mahajanga ka naharesy an’ity farany 3-0 be izao rehefa

 

 

 

 

nolavin’ny mpitsara ny baolina 2 matin’izy ireo sy ny penality iray tena mazava ka nahatonga fiatoan’ny lalao efa hatrany amin’ny 15 minitra vao notohizana indray no nilazan’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Vakinankaratra, Andriatomponera Fidy, fa manimba ny ezaka nataon-dry zareo tamin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra any Vakinankaratra ka efa nampiverina indray ny fitiavan’ny olona mijery baolina ao amin’ny kianja  Velodrôme Antsirabe sy any amin’ireo seksiona misy any an-toerana ny trangan-javatra tahaka izao ka mangataka ny FMF « Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy » sy ny « Conseil de Discipline » ao aminy mba hijery akaiky an’ity raharaha ity ka handray fanapahan-kevitra hentitra ka ny hiriana dia ny hamerenana an’io lalao io farany izay haingana. Niray feo tamin’ity filohan’ny ligin’i Vakinankaratra ity ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania, Nirilanto Randriantsoaniaina, sy Atsimo Atsinanana, Ratsimbazafy François Régis tamin’ny filazana tetsy Analakely fa : « manimba ny baolina kitra Malagasy ny fitongilanana amin’ny fitsarana lalao hita maso eo amin’ity taranja ity.  Matoa ny klioba toy ny FCV Vakinankaratra nandray anjara amin’ny  « Champion’s League Malagasy » dia efa vonona amin’ny hoenti-manana hivahinianana any ivelany ka aoka izay ekipa mendrika sy mahay no hisolotena antsika amin’izany. Miray feo amin’ny ligin’i Vakinankaratra izahay ankehitriny fa te hanova sy hanatsa ny tontolon’ny fitsarana ny baolina kitra eo Madagasikara ».

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT