Sport

Kitra – Fitokanana : Ho tonga anio hariva i Joseph Blatter


  • Talata 02 Martsa 2010

Higadona eto amintsika anio hariva amin’ny 6 ora sy 20 ny fiaramanidina manokana hitondra ny delegasionan’ny Fifa tarihin’ny filohany Joseph Blatter, hitokana ireo fotodrafitrasa telo tafiditra tamin’ny tetikasa Goal.

 

 
Anisan’ireo tompon’andraikitra ho avy eto hiaraka amin’i Blatter i Thierry Regenass, talen’ny fampandrosoana sy ireo fikambanana mpikambana ao amin’ny Fifa sy i Cyril Loisel izay tompon’andraikitry ny fampandrosoana aty amin’ny faritr’i Afrika sy ireo mpisahana ny seraserany. Anio hariva dia hiara-hisakafo amin’ny filohan’ny FAT eny Iavoloha ny delegasiona.
Rahampitso alarobia 03 martsa kosa no hanatanterahana ireo fitokanana samihafa izay ialohavan’ny fitsidihana ny foiben’ny kitra etsy Isoraka. Amin’ny 9 ora sy sasany ny fitokanana ny foibem-piofanana ara-teknika eny Carion izay novatsian’ny frantsay vola nitentina 500 000 euros, niampy ny vola avy amin’ny Fifa 56 320 dolara.  Ny volana jona 2006 moa no nanombohan’ny asa fanamboarana ary ny minisiteran’ny fanatanjahantena no nanome ny tany 2,64 ha nanorenana ity foibe ity. Avy eny Carion dia handray fiaramanidina avy hatrany hitokana indray ny kianja sentetika Rabemananjara any Mahajanga (700 000 dolara) sy ny tribune (436 297 dolara) ny delegasionin’ny Fifa. Amin’ny 2 :45 no fotoana voatondro hanaovana io fitokanana io. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 1998 nahavoafidy an’i Blatter ho filohan’ny Fifa no nahaterahan’ny tetikasa Goal ka i Madagasikara dia anisan’ireo firenena 11 voalohany nanjifa izany.
Fotodrafitrasa efa azon’ny federasiona malagasy ny foiben’ny kitra etsy Isoraka izay notokanan’i Michel Platini tamin’ny volana febroary 2005. Efa nambaran’i Cyril Loisel, izay efa tonga nisava lalana mialoha fa hotapahin’ny biraon’ny tetikasa Goal ny 15 martsa izao indray ny hampiasana ny vola fanampiana manaraka mitentina 400 000 dolara anjaran’i Madagasikara.
 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT