Kitra_Fitantanana tsy manjary

Mpilalao Frantsay efa nanambany


  • Zoma 18 Septambra 2026

no antsoina ho Barea

Anisan'ireo nantsoin'ny mpanazatra Frantsay Corentin Martines ao anaty lisitry ny Barea hiatrika an'i Nigeria amin'ny fifanintsanan'ny CAN 2027 ilay Frantsay Zacharie Boucher 34 taona, mpiandry haraton'ny Estac Troyes divizionina , izay efa nanamaivana sy nanao tsinontsinona an'i Madagasikara. Ny taona 2018 no nisy resaka voalohany ny mety hanaovany Barea, taorian’ny fanapahan-kevitry Jérémy Morel hilalao ho an’ny ekipam-pirenena malagasy. Raha vao nambara fa handray anjara amin’ny CAN 2019 miaraka amin’i Madagasikara i Jérémy Morel, dia nilaza i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy tamin'izany, fa mety hanampy azy ihany koa i Zacharie Boucher. «Frantsay aho, tsy mbola nisy fotoana nahatonga ahy ho Malagasy. Tsy fantatro hoe nahoana no nipoitra izany resaka izany. Ho ' ahy, tsy misy na inona na inona. Raha jerena ny pasipaoroko dia mazava tsara: “Frantsay”, hoy izy. Raha miantso ahy ny mpanazatra, dia tsia. Ankoatra izany, na amin’ny lafiny ara-panjakana aza, tsy afaka mihitsy aho. Tsy Malagasy aho.». Nampiasa io fotoana io ihany koa i Boucher hanamafisana ny fitiavany ny ekipam-pirenena frantsay: «Zava-dehibe amiko ny akanjon’ny ekipam-pirenena frantsay. Tsy hisy akanjo hafa hotafiko afa-tsy io ihany. Frantsay aho, mirehareha amin’izany, ary tsy manana fikasana hilalao CAN miaraka amin’iza na iza.». 8 taona aty aoriana dia hoe hitafy ny Ekipam-pirenena Malagasy rehefa tsy tafiditra tao amin'ny Ekipam-pirenena Frantsay? Moa tsy fanompana sy fanamaivanana? Mpanazatra Frantsay miantso teratany Frantsay ho ekipa Malagasy ? Mba nandinika an'io ve i Corentin Martines sy ny FMF? Ity mpanazatra ity izay manana olana manokana amin'ny mpilalao toa an'i Sonny Laiton ka aleony miantso vazaha nanivahiva ny Malagasy sy manasazy mpilalao hafa. Ekena fa misy fitsipika, manana ny fahefany ny mpanazatra saingy hafahafa ihany. Lasa mamotika ny baolina kitra, manimba ny moralin'ireo mpilalao tena "mararim-baolina" mamono tena ho an'i Madagasikara. "Ny tsara aminao dia manaja ny ekipam-pirenenay, tsy mendrika ny hitondra ny lokon'ny Firenenay ianao, mba asio fanajana kely azafady indrindra", hoy i Voavy Paulin niantefa tamin'io Zacharie Boucher io, nataony teny Frantsay. Mbola nampiany hoe: "Aleoko mahita an'i Ronaldo mibitabitaka mpiandry haratl toy izay i zakaïosy mpamandika sady mahay vava. Ianareo ao amin'ny FMF mba mila fanajana olona eee."
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

  • FOIRE INTERNATIONALE
  • Alarobia 02 Septambra 2026

DE L'AGRICULTURE

Hijery ny tohiny
FTT