Sport

Kitra – Fiofanana CAF Hihatra ny karatra ho an’ireo mpanazatra


  • Alarobia 31 Martsa 2010


Nivoitra nandritra ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra nasionaly natao tany Le Caire Egypte izay nokarakarain’ny Caf ny 23 sy 24 martsa teo, araka ny nambaran’ny solontena Malagasy tokana tany an-toerana, Rajaonarisamba Franck, fa hampiharina manomboka ny volana mey izao ny karatra izay takiana tsy maintsy hananan’ireo mpanazatra klioba, indrindra ireo mitondra D1. Mila mandalo fiofanana avokoa araka izany ireo mpanazatra rehetra vao hahazo io karatra (licence CAF) io ka tompon’andraikitra malagasy voalohany hisahana izany eto Madagasikara i Débon François. Nanamarika ny fiofanana tany an-toerana ihany koa ny fandalinana ara-teknika ireo lalao rehetra nanamarika ny CAN tany Angola teo. Marihina fa isaky ny aorian’ny fifaninanana kaontinantaly no hanaovan’ny CAF ny fiofanana toy izao. Nahatratra 57 ireo mpanazatra nasionaly aty Afrika nanaraka ity tany Le Caire ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT