Sport

Kitra –Filohan’ny Ligy Matsiatra Ambony Kandida matanjaka i Mamany Gan


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Manomboka mafana ny tontolon’ny baolina kitra ary samy mihetsiketsika ireo kandida isan-tsokajiny any amin’ny faritra. Fantatra izao fa kandida amin’ny fifidianana filohan’ny ligy ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony i Mamany Gan,

 

 filohan’ny klioba Zanakala Fianarantsoa efa malaza amin’ny tontolon’ny kitra any amin’io faritra io. Seksionina 6 amin’ny 7 ao amin’ny faritra no fantatra fa efa manohana azy dia Fianarantsoa 1, Lalangina, Vohibato, Isandra, Ikalamavony, Ambohimahasoa ka efa nanambara fa hifidy azy. Tonga nanotrona an’i Mamany Gan tamin’ny fanambarany amin’ny fomba ofisialy izao maha kandida azy izao ny seksiona Ikalamavony na dia tsy afaka mifidy aza. Nambarany kosa fa ataony laharam-pahamehana ny fananganana izany amin’ny fomba ofisialy sy hampandrosoana ny hetsika rehetra ao. Ny seksiona Ambalavao irery ihany no tsy manohana an’i Mamany Gan hatreto amin’ity fifidianana filohan’ny ligy ho an’i Matsiatra ambony ity. Tsy asiana resabe fa dia fampandrosoana sy fampiroboroboana ny baolina kitra ao anatin’ny faritra Matsiatra ambony no fanamby apetraka, hoy i Mamany Gan ary efa noporofoina tamin’ny zava-bitan’ny klioba Zanakala Fianarantsoa izany, izay zavatra mbola azo hatsaraina hatrany moa.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT