Sport

Kitra-Filohan’ny Ligin’Analamanga Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny Ivato


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana vao maraim-be tamin’ny 6 ora tany ho any ny sabotsy 3 novambra teo raha handeha hihazo an’i Sambava hanatrika ny AG sy fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny FMF ny filohan’ny ligin’ny baolina kitran’Analamanga, Rakotoarimanana Tôta Henintsoa.

 

 

Nentina teny amin’ny BC Anosy ary tsy votsotra raha tsy tamin’ny 9 ora maraina ka tsy lasa tany Sambava intsony. Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-tranony teny Andoharanofotsy ny lehilahy taorian’izay. Nambarany fa olona tsy fantany no nitory azy tamin’ny resaka fividianana tany izay tsy fantany akory. Ben’ny tanàna am-perinasa ny tenako, hoy i Tôta, ary tsy mbola voasaringotra amin’ny raharaha maloto ary tsy mbola nandrahona olona ho faty ihany koa. Noheveriny fa misy hifandraisany amin’ny fifidianana ho filohan’ny FMF izao fisamborana azy izao. Nambarany fa raha izao no atao amin’ity fifidianana ity dia tsy hankato an’izay ho filohan’ny FMF ho lany eo ny tenany ary tsy handray anjara intsony amin’io fifidianana io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT