Sport

Kitra, filaharan’ny FIFA Very toerana telo ny Barea


  • Zoma 17 Septambra 2021

Very toerana miisa 3 ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny filaharana maneran-tany eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Navoakan’ny FIFA omaly alakamisy izany,

 ka lasa eo amin’ny laharana faha-100 maneran-tany isika, raha toa ka faha-97 tamin’ny filaharana teo aloha, izay mivoaka isam-bolana moa io. Ny faharesena in-droa nisesy nanoloana an’i Bénin sy Tanzanie ny 2 sy 7 septambra lasa teo tafiditra amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” no heverina fa nampihemotra ny filaharantsika. Manana isa 1211,19 isika amin’izao fotoana izao. Ny volana oktobra izao, dia hifandona in-droa misesy amin’ny Lepoards ekipam-pirenen’i RD Congo laharana faha-66 maneran-tany isika. Mikorontana tanteraka ny kitra Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny savorovoro ara-pitantanana, fitsabahana ara-politika, leesoka ara-teknika,… izay mila haravona sy harenina haingana raha tiana ny hahazo vokatra. Maneran-tany, mitazona ny laharana voalohany hatrany I Belgique, izay manana isa 1832, faharoa tsy nihetsika I Brésil manana isa 1811, niakatra fahatelo I Angleterre manana isa 1755, nihemotra ho faha-4 ny Frantsay manana isa 1754, fahadimy Italie izay nibata ny “Euro 2020” farany teo, faha-6 I Argentine izay nahazo ny “Copa America”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT