Sport

Kitra – Fifidianana : Olom-baovao ireo 16 lany filohan’ny ligy


  • Talata 30 Martsa 2010

Mitaky fanovana goavana tokoa ny kitra Malagasy raha ny vokatry ny fifidianana fanavaozana mpitantana ireo ligy 22 tontosa ny faran’ny herinandro teo no jerena.

Olom-baovao avokoa mantsy ny 16 tamin’ireo filohan’ny ligy 22 vao lany. Enina ihany ireo tafaverina tamin’ny toerany dia i Hilarion Rarison tany Matsiatra Ambony, Ratsimarofy Patrick tany Vatovavy Fitovinany, Rakotoniaina Mamonjisoa tany Bongolava, Issa Aboudou Houssen tany DIANA, Anagoustou Lefter Jean Paul tany Sofia ary Reboza Cyrille tany Anosy. Notorian’ny mpifaninana taminy noho ny tsy fanarahan-dalàna misy porofo an-tsary anefa io filoha voalaza fa lany tany Anosy io. Nahitana olana koa ny tany Menabe satria nafenina hatramin’ny fotoana farany ny toerana anaovana ny fifidianana ary saika nataon’ny kandida Mamod’Ali Hawel tany an-tranony saingy voarara tsy azony natao izany tamin’ny fotoana farany. Hafana tokoa ny fifidianana ho filohan’ny federasiona hatao any Fianarantsoa ny 3 aprily izao raha ireo vokatra teny anivon’ireo ligy ireo no zohiana. Fa nankaiza avokoa ireo filoha 21/22 ankoatra ny tao Matsiatra Ambony izay efa nentin’ny filoha Ahmad nitsangantsangana tany am-pita ?

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT