Sport

Kitra – Fifanintsanana Mondial Vonona ny Barea hiatrika lalao in-droa miantoana


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Efa vory avokoa ireo mpilalao mandrafitra ny Barea na ny eto an-toerana na ireo mpila ravinahitra izay manomana ny lalao mandroso sy miverin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 (Rosia).


Tsy maintsy mandresy satria eto avokoa ny lalao mandroso sy miverina”, hoy i Franck mpanazatra. Niatrika fanazaranteana niaraka voalohany izy ireo omaly tolakandro ary niatrika lalao fitsapana nihaona tamin’ny ekipa sokajy D2, ny TOP DOM, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Natao 30 mn in-3 miditra ny fihaonana nahafahana nanandrana ireo mpilalao hajoro voalohany sy tena afaka hiaraka. Nandresy tamin’ny isa 2-0 ny ekipa nasionaly. Nahasarika olona maro sahady io fanazarantena io ary nisy hatrany koa ireo tsy afa-po nahita ireo mpilalao sasany tsy mbola tafiditra tsara ka nisiotsioka sy nanompa mihitsy. Marihina aloha fa nisy ireo mpila ravinahitra izay vao tonga, avy nanao sidina tamin’ny fiaramanidina naharitra ka hita mbola nitaky ny havizanan’izy ireo. Nisinisy ihany koa ireo baolina nanambana fa hita ho tsy zatra kianja ireo mpila ravinahitra.

 “Androany vao niaraka daholo ny mpilalao rehetra. Tsy mbola nisy toromarika sy fanazarantena niaraka nentina nizarana kianja sy nametrahana ny paikady ho amin’ny sabotsy ity lalao ity sady nanandramana ireo mpilalao afaka miaraka. Natao D2 ny mpifanandrina mba hanamorana ny fampiharana ny paikady sady mba ekipa tsy atahorana handona sy handratra. Paikady fototra ny fitadiavana fandresena satria eto ny lalao mandroso sy miverina. Nisy ihany ireo baolina tokony ho faty fa tsy mbola ampy aloha ny fiarahana izay hamafisinay faramparany. Tsy maintsy voarina ny amin’ny fampidiram-baolina mandrapahatonga ny lalao. Efa hita aloha fa nisy ezaka mba efa tsaratsara ny kianja”, hoy ny mpanazatra Rajaonarisamba Franck, taorian’ny lalao. 

Hita fa tena vonona be koa ireo mpilalao na ny avy eto an-tanàna na ny avy any dilambato. Tsy mampitakemotra azy ireo koa ny kianja na ratsy aza.

Io ny antsika, mila lemana kely fotsiny izy io mba tsy ho sady kitaontaona no mbola mafy be, mila mizatra fotsiny, araka ny fanamarihan’i Ima izay efa tazana manatevin-daharana ny Barea ankehitriny.  

 “ Ekipa azo resena tsara io Centrafrique io. Hanao ny maximum izahay hampiditra baolina araka ny toromarika. Mila mandresy mantsy amin’ny sabotsy mba hanamora ny lalao miverina”, hoy kosa i Anicet Abel izay nampiseho fahatokisan-tena be tokoa.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT