Sport

Kitra – Fifanintsanana Mondial Tafita ny Barea ary hifandona amin’i Sénégal


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Nirava sahala 2-2 ny lalao miverina omaly tetsy Mahamasina. Tafita amin’ny dingana manaraka i Madagasikara ary hihaona amin’i Sénégal indray afaka iray volana.

Kely indray sisa tsy nahafeno ny kianjan’i Mahamasina na dia andro fiasana aza.

Taorian’ny fandresena 3-0 azon’ny Barea tamin’ny lalao mandroson’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 (Rosia) natao ny sabotsy teo dia nisaraka ady sahala 2-2 indray ny lalao miverina nifanandrinan’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Centrafrique natao omaly. Io isa io no efa nisarahana teo am-pialan-tsasatra. Ry zareo vahiny no nanokatra isa, tamin’ny alalan’i Gourrier, tifitra mafy avy any amin’ny ilany an-kavanana ary tsy voasakan’i Chrétien mpiandry harato (6’). Tsy nifampitsitsy ny an-daniny sy ny an-kilany tamin’io fidirana voalohany io. Namaly ny malagasy fa mbola nanambana fotsiny aloha ny fanafihana, toy ny daka anjorony nalefan’i Carolus izay nodonin’i Abel tamin’ny lohany ary saika nofaranan’i Ima tamin’ny tongony fa nihodivitra ny tsatoby (9’). Tsy niandry ela dia nanasahala ny isa ny Barea tamin’ny alalan’i Dafé ary hita fa efa sahirana izy vao nahilika ny baolina tany anaty harato (16’). Ny malagasy ihany no nahatafiditra baolina taorian’io. Voatosiky ny santrafikanina i Carolus raha nitondra baolina tao anaty faritra tsy azo ivalozana tany amin’ny ilany an-kavia ary notsofin’ny mpitsara. I Abel no nitsara ny “penalty” izay mbola voatohan’ilay mpiandry fa voatsoriakany ihany nampidirana tany anaty harato (36’). Efa taty amin’ny minitra faran’ny fidirana voalohany ny baolina faharoa ho an’ny Repoblikan’i Centrafrique, tolotra avy amin’ny ilany havanana no narahana tamin’ny loha (46’). Samy efa nitaky ny harerahana ho an’ny an-daniny sy ny an-kilany tamin’ny fizaram-potoana faharoa ka tsy nahitana endri-dalao sy fanafihana tena nisongadina intsony. Nitondra aina vao kely ihany ny nampidirana an’i Nônô nisolo an’i Ima tamin’ny tapaky ny fidirana faharoa fa tsy nahalasa lavitra loatra.

“Nanao mafy ny boakely tamin’ny fidirana voalohany ary hita fa efa reraka taorian’izay. Aleo koa nitandrina satria ny tafita no tena tanjona”, araka ny nambaran-dRajaonarisamba Franck taorian’ny lalao.

Notoloran’ny filohan’ny federasiona sady minisitry ny Jono Ahmad fankasitrahana nitentina 16 tapitrisa ariary moa omaly taorian’ny lalao ny Barea sy ireo ekipa teknika ho fankasitrahana noho izao fahatafitana izao. Tafita amin’ny dingana manaraka, araka izany, i Madagasikara ary hifandona amin’i Sénégal indray ny 11 novambra izao, etsy Mahamasina ny lalao mandroso.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT