Sport

Kitra – Fifanintsanana Mondial Nomontsanin’ny Barea ny ekipan’i Centrafrique


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Dingana lehibe iray aloha izay no vita, saingy tsy mbola afaka misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Nandresy mazava tamin’ny isa 3-0 mantsy i Madagasikara tamin’ny lalao mandroson’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 (Rosia) raha nifanandrina tamin’ny Repoblikan’i Centrafrique ny sabotsy tolakandro teo tetsy Mahamasina.

Feno indray na dia tsy tena hipoka tanteraka aza i Mahamasina. Efa nitarika tamin’ny isa 2-0 sahady ny ekipan-dRaniry sy Franck teo ampialantsasatra. Baolina izay tafiditr’ilay mpila ravinahitra avy amin’ny klioban’i Lens, Ramanamahefa Ferdinand (26’), tolotra avy amin’i Faneva Ima, milalao any Creteil. Rakotoarimalala Njiva mpilalao mendrika 2014 kosa no tompomarika tamin’ny baolina malagasy faharoa (39’). Mbola nahatafitra baolina fah-3 i Madagasikara tamin’ny fidirana faharoa tamin’ny alalan’i Paul Johann (60’), fahadisoana notsaran’i Carolus no nahiliny tany anaty harato tamin’ny lohany. Marihina fa ny sabotsy vao maraina no nogadona teto Madagasikara ny ekipan’i Centrafrique ary mbola nitambesaran’ny harerahana ka mila mitandrina araka izany ny Barea fa hanonitra ny tsy vitany ny sabotsy teo izy ireo amin’ny lalao miverina hatao ny talata 13 oktobra etsy Mahamasina hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT