Sport

Kitra – Fifanintsanana Mondial “Hanidy trano sady hanafika”, hoy i Franck mpanazatra


  • Talata 13 Oktobra 2015

Ho fantatra afaka ora maromaro ny valim-panadinan’ny Barea. Tsy mbola afaka mibitabitaka loatra na dia teo aza ny fahombiazan’ny lalao mandroson’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 natao ny sabotsy.

 


 
Marina fa efa tombony lehibe ny nanamontsanan’i Madagasikara an’ny Repoblikan’i Centrafrique tamin’ny isa 3-0 izay sady isaina toy ny nilalao antanin’olona. Efa tombony lehibe io ary mbola tombony lehibe hatrany ny nahafahana mampiantrano lalao mandroso sy miverina toy izao. Hiatrika ny lalao miverina anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny Barea etsy Mahamasina.
“Niaraha-nahita ireny ny vokatra tamin’ny sabotsy. Tena nanaraka toromarika tsara ireo mpilalao.
Fanafihana totoafo no toromarika, miainga avy any amin’ny sisiny ary manipy ao afovoany. … Tsy midika akory izany fa hanidy trano fotsiny isika fa sady manafika hatrany koa”, araka ny fanamarihan’ny mpanazatra Rajaonarisamba Franck.
Mpilalao telo koa no fantatra fa tojo ratra ary mety tsy afaka hilalao anio dia i Leda sy Mamy Gervais ary i Faneva Ima. Hiankinan’ny fandresena hatrany koa anefa ny fahaizan’ireo mpijery tena manohana fa tsy mitazam-potsiny mandritra ny lalao manontolo.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT