Sport

Kitra – Fifanintsanana Mondial 2018 Mpila ravinahitra fito, mpilalaon’ny Cnaps sport valo


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Nivoaka omaly ny lisitr’ireo mpilalao 23 mirahalahy handrafitra ny ekipa malagasy hifandona amin’ny Lion’i Teranga avy any Sénégal amin’ny lalao mandroson’ny fihodinana faharoan’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 (Rosia).

 Ny zoma 13 novambra etsy mahamasina ny lalao mandroso ary ny 17 novambra ny miverina any Dakar Sénégal. Hanomboka ny alatsinainy 9 novambra izao ny fampivondronana. Tsy niova ireo mpanazatra ahitana an’Andrianjoelison Nirina “Raniry” sy Rajaonarisamba Franck. Manana mpilalao valo voafantina ao ny Cnaps sport izay ekipa tompondakan’i Madagasikara 2014 sady vao nahazo indray ity andiany 2015 ity. Fito kosa ireo mpila ravinahitra namaly ny antso dia Randrianarisoa Mamy Gervais (JS ST Pierroise La Réunion), Andrianantenaina Abel Anicet (Ludogorets Bolgaria), Paul Johann (Etoile FC Fréjus St-Raphael Frantsa), Ramanamahefa Ferdinand (US Tourcoing Club Frantsa), Andriamahitsinoro Carolus (USM Alzeria), Andriantsima Faneva Ima (US Créteil Lusitanos Frantsa) ary i Voavy Paulin (CS Constantine Alzeria) ny faha-7. Ny fiandohan’ny herinandro ambony io no hanomboka ho tonga ireo mpila ravinahitra. Raha jerena ny filaharan’ny Fifa dia lah-118 izao i Madagasikara fa lah-39 kosa i Sénégal izay ekipa afrikanina lah-5. Ara-taratasy ihany anefa io fa boribory ny baolina ka ny 90 minitra no hamaritra ny mpandresy.


 

Ireo Barea:

Mpiandry harato :

1-Eddit Bastia (Tana FC)

2-Ramandimbisoa Lalain’Arinjaka (Iarivo FC)

3-Randrianasolo Jean Dieu Donné (Cnaps sport)

Vodilaharana :

4-Elefoni (Tana FC)

5-Fenolahy Zenith (Ajesaia)

6-Njakanirina Tobisoa (Cnaps sport)

7-Rajaonarivelo Ronald (Cnaps sport)

8-Randrianarisoa Mamy Gervais (JS ST Pierroise La Réunion)

9-Randrianirina Tantely (AS Adema)

10-Randrianomenjanahary François (Tana FC)

11-Ratolojanahary Fenosoa (Cnaps sport)

Irakiraka :

12-Rajaoniasy Florent (AS Adema)

13-Andrianantenaina Abel Anicet (Ludogorets Bolgaria)

14-Paul Johann (Etoile FC Fréjus St-Raphael Frantsa)

15-Rabeson Michael (Cnaps sport)

16-Ramanamahefa Ferdinand (US Tourcoing Club Frantsa)

17-Razanakoto Dina (Tana FC)

Mpanafika :

18-Andriamahitsinoro Carolus (USM Alzeria)

19-Andriantsima Faneva Ima (US Créteil Lusitanos Frantsa)

20-Rakotoarimalala Njiva (Cnaps sport)

21-Simouri Jimmy (Cnaps sport)

22-Voavy Paulin (CS Constantine Alzeria)

23-Vombola Jeannot (Cnaps sport)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT