Sport

Kitra – Fifaninanana afrikanina Hanampy ny As Adema sy Ajesaia ny Orange


  • Zoma 26 Febroary 2010

Taorian’ny faharaiketan’ny fiaraha-miasa fanohanan’ny orinasam-pifandraisan-davitra iraisam-pirenena Orange ny Caf mandritra ny valo taona dia efa nanomboka nisesy lany koa tato ho ato ny fanohanan’ny Orange Madagascar ny kitra Malagasy amin’ny ankapobeny.

 

Ny fampitana ny Can 2010 tany Angola tamin’ny endriny samihafa izao no nimasoan’ity orinasa ity tamin’ny volana janoary manontolo teo ary nanomboka omaly indray dia nanapa-kevitra fa hanohana ireo klioba roa miatrika ny fifaninanana afrikanina karakarain’ny Caf izy ireo dia ny As Adema izay solontenan’i Madagasikara miatrika ny Coupe de La Caf Orange sy ny Ajesaia miatrika ny Ligue des champoions Orange. Tsy mbola voafaritra ny faharetan’ny fiaraha-miasa ary hiseho amin’ny endrika maro ny fanampiana na tsy mbola voafaritra mazava aza saingy azo antoka fa hisy ny ara-bola … Hisy hatrany toy mahazatra koa ny fanentanana mialoha sy mandritra ireo lalao hatrehin’ireto tarika roa solontena Malagasy ireto, harahin’ny fizarana loka maro samihafa. Ny sabotsy izao moa ny Ajesaia dia hiatrika ny lalao miverina hihaona amin’ny Uss Tamponnaise etsy Mahamasina ary ny As Adema kosa hifamerina hifampitana amin’ny Lengthens avy Zimbabwe ny alahady. Tsiahivina fa samy lavo tamin’ny isa 2-1 avokoa ireo solontenantsika ireto tamin’ny lalao mandroso. Nanipika moa ny filohan’ny Ajesaia Ravelonarivo Jasmina fa “manome toky izy ireo fa salama tsara ary hilalao amin’io lalao miverina io ireo mpilalao telo voalaza fa lasan’ny ekipa any La Réunion dia i Bolida sy Mamy ary Sedera ary hilalao amin’ny Ajesaia hatrany izy ireo mandra-pihintsany amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity”.  Tetsy an-kilany ny mpanazatran’ny As Adema Rajaonarisamba Franck dia nilaza fa “azo resena tsara ry zareo Zimbaboeanina izay mitovy amintsika ihany ara-batana fa ny lesoka teo amin’ny famonoam-baolina no nahavoa antsika satria nahatratra enina be izao ireo “occasions ratées” tany Zimbabwe ary izay no harenina amin’izao lalao miverina izao”. Fararanon-dalao iraisam-pirenena amin’ny kitra izany ity faran’ny herinandro ity ary tsotsorimamba isarahana hamaritra ny tohin’ny fifaninanana ho an’ireto ekipa solontenantsika Malagasy ireto.
 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT