Kitra – FIFA

FMF Tonga soa i Joseph Blatter


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Omaly talata 02 martsa tamin’ny fiafaran’ny tolakandro, manodidina ny tamin’ny dimy ora sy fahatelony, adiny iray nialoha ny ora voatondro no nigadona teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ny filohan’ny FIFA (federasiona iraisam-pirenena momba ny baolina kitra), Joseph Blatter sy ireo mpiara-dia aminy.

Tonga nitsena azy teny am-pahatongavana ny praiminisitra Camille Vital notronin’ireo minisitra roa misahana ny fanatanjahantena sy ny serasera, niaraka tamin’ireo mpitantana ny federasionin’ny kitra notarihin’ny filohany Ahmad. Noraisina minitra vitsy tao amin’ny efitra fandraisana olo-manankaja ireo vahiny ary niara-nisakafo narahina dinidinika tamin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, ny takariva. Raha tsiahivina ny fandaharam-potoana anio dia handalo etsy amin’ny foiben’ny kitra Isoraka ity filohan’ny Fifa ity amin’ny 8ora sy 40minitra, hitsidika sy hitokana ny foibem-piofanana ara-teknikan’i Carion amin’ny 9ora sy 30minitra ary hisidina hihazo an’i Mahajanga hitokana ny tribune sy ny kianja sentetika Rabemananjara amin’ny 3ora tolakandro ary anio tolakandro amin’ny 4ora sy 45minitra ihany izy dia efa handao an’i Madagasikara.

Ndeha kosa hofantaritsika indray mielatra ny mikasika ity laharana voalohany amin’ny kitra maneran-tany ity. Ny 8 jona 1998 tamin’ny fivoriamben’ny FIFA faha-51 tany Paris no nahavoafidy azy ho filohan’ity federasiona iraisam-pirenen’ny kitra ity ary nandritra ny 23 taona talohan’io izy no efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny FIFA. Efa sekretera jeneralin’ny federasion’ny hockey tany soisa ny lehilahy (1964) ary efa nanao gazety ihany koa. Anisan’ireo tompon’andraikitra nikarakara ny JO 1972 sy 1976. Voatendry ho talen’ny fandaharan’asa fampandrosoana tao amin’ny Fifa ny 1975. Nisahana ny toeran’ny SG tao amin’ny Fifa ny 1981-1990, izay nahafahany nikarakara Mondial andiany dimy. In-telo izao i Blatter no voafidy ho filohan’ny Fifa dia tamin’ny 29 mey 2002 sy 31 mey 2007 roa farany.    
 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT