Kitra – Fifa

Fmf Nampian’i Blatter hametraka ny dian-tanany i Ahmad


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fitokanana ireo fotodrafitrasa telo sosona tafiditra amin’ny fandaharan’asa “Fifa Goal” omaly.

Ny tapakandro maraina ny fitokanana ny foibem-piofanana ara-teknika teny Carion izay hampivondronana sy hampiofanana ireo Barea ekipa A sy ny sokajy zandriny ary ny vehivavy. Afaka hampiasa ity foibe ity koa anefa ireo teknisianina sy mpitsara ary ireo mpitsabo ara-panatanjahantena. Namatsy ara-bola ny asa moa ny fanjakana frantsay (620 710 dolara) sy ny Fifa (56 320 dolara). Nisy ny fitsidihana ireo trano fitobiana sy fivoriana ary ny kianja filalaovana taorian’ny fitokanana ny takela-bato fahatsiarovana. Anisan’ireo foibem-piofanana miisa 44 misy maneran-tany tafiditra amin’ny tetikasa «Goal» moa ity eny Carion ity.

 
Omaly tolakandro kosa no nitokanana ny kianja sentetika Rabemananjara (700 000 dolara) sy ny tribune (436 297 dolara) mahazaka mpijery 800 ary ahitana birao samihafa sy trano fidiovana. Nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenan’i Joseph Sepp Blatter ny hoe «laissez le foot-ball en paix» ka tsy tokony hafangaro amin’ny disadisa politika ny kitra. Nidera ny fitondrana anefa ny filoha Blatter nanome fahaleovantena sy fanampiana ny kitra. Ny famolavolana ireo sokajy zandriny U17, hoy ity farany no tokony himasoana mba hahafahana miatrika tsikelikely ny sehatra iraisam-pirenena.
 
Ny praiminisitra Camille Vital niaraka tamin’ireo  mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta moa no nanotrona ny fitokanana teny Carion raha nidina tany Mahajanga mihitsy ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mivady ny tolakandro. Tsindrom-paingotra ara-politika no ohatra noraisin’ny filohan’ny federasiona malagasy, Ahmad tamin’ny lahateniny ka nilazany fa « toy ny niatrika lalao ny enin-taona nitantanany ny federasiona izay feno fingampingan’ny fitondrana teo aloha…. Taty amin’ny fanalavam-potoana anefa dia nioty fandresena ihany amin’ny alalan’izao fitokanana izao». Notolorana mariboninahitra moa i Blatter tany Mahajanga.
 
Ny solontenan’ny masoivoho frantsay koa dia nampanantena hatrany ny fitohizan’ny fanampiany ny kitra. Anisan’ireo manome tanana amin’ny fampandrosoana ny kitra malagasy miara-miasa amin’ny FMF hatrany koa moa ny Telma sy ny THB ary ny BIT. Lasa nihazo an’i Moroni omaly, hitokana ireo fotodrafitrasan’ny tetikasa goal moa ny filoha Blatter.
 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT