Sport

Kitra – Fanatanjahantena an-tsekoly Nanolo-tanana ny MEN ny Federasion’ny baolina kitra


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Vita sonia omaly teny Anosy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra tamin’ny alalan’ny filohany

Ahmad sy ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny minisitra Rabary Paul mikasika fanohanan’ny federasiona ny minisitera amin’ny fikarakarana ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly. Nanatrika ny fotoana koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena, Ralaivao Lovatiako.

“Ny fanatanjahantena an-tsekoly amin’ny ambaratongany samihafa no voakasik’izao fiaraha-miasa izao ary natokana ho an’ireo ankizy teraka taorian’ny janoary 2000 mba ho fanomanana ny CAN U17 amin’ny taona 2017”, hoy i Ahmad raha nandray fitenenana.

Tanjona ihany koa, hoy ity farany, ny fanatevenana ilay tetikasa Barea Akademia eny Carion izay tsy ampy ka ilaina ny fivelarana amin’ny firenena iray manontolo. Baolina miisa 200 no efa natolotry ny federasiona omaly ary mbola ho avy ny fampitaovana hafa sy fanofanana teknisianina. Marihina fa fiaraha-miasa maharitra roa taona ary azo havaozina izy io.

Notsipihin’i Ahmad fa tohin’ny tetikasa hafa efa natomboka iarahan’ny federasiona miasa amin’ny Fifa izy ity. Anisan’ireo efa natomboka taona vitsy izay ny “Grass roots” ho an’ny sokajy 8-12 taona ary efa misy fiaraha-miasa amin’ny MEN ka faritany efatra no efa voakasika dia Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Ho avy tsy ho ela ny fanapariahana any Fianatrantsoa sy Toliara. Efa nandeha taona vitsy koa koa ny tetikasa “Onze” miaraka amin’ny Fifa ka sekoly 18 no voakasika tany am-piandohana ary efa tafakatra 280 no voakasika amin’izao fotoana.

Tetsy an-kilany, Rabary Paul dia nanipika fa “misokatra ny varavaran’ny minisitera ho an’ireo federasiona hafa rehetra, ny taranja atletisma koa no efa misy fiaraha-miasa fa mila hamafisina ara-taratasy. Tsy fampianarana any an-tsekoly fotsiny no andraikitry ny minisitera fa ilaina ny fanabeazana ara-batana”.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT