Kitra Espaniola-Coupe du Roi

Norombahan'ny Barça, tsy afa-bela ny Real


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Mbola tsy afa-bela tamin'ny FC Barcelone indray ny Real Madrid alina, taorian'ny faharesena 5-2

tamin'ny famaranan'ny Supercoupe d'Espagne sy ny 4-0 tao anatin'ny Classico ho an'ny Liga. Nobatain'ny Blaugrana indray ihany koa ny Copa Del Rey na ny amboaran'ny Mpanjaka alina satria mbola resiny 3-2 indray ihany koa ny Merengue. Baolina tena avo lenta sy nampitaintaina hatramin'ny farany, ary efa nampoizina ho mafana sy feno fihenjanana mihoatra ny mahazatra ny fifanandonan'ireto mpifanandrina manan-tantara ireto. NITSEFOTRA NY REAL Ny Real Madrid, izay noresen'i Arsenal tany amin'ny Ligue des champions sy tavela aoriana, elanelan'isa 4 amin'ny Liga manoloana an'i Barça hatreto, dia niezaka hamonjy ny taom-pilalaovany, hibata ny Amboaran'ny Mpanjaka, saingy mbola nitsefotra ihany koa. Na dia nahavita nanatsimbadika ny 1-0 ho 1-2 aza ny Real (Pédri 29', Mbappé 70', Tchoumeni 78'), dia mbola tratra 2-2 rehefa voasahalan'i Ferran Torres (84'), ka voatery niditra fanalam-potoana, rehefa nampiady penalty notsofin'ny mpitsara ho an'ny Barcelone tany amin'ny minitra fanampiny saingy nolavina sy navadika karatra mavo ho an'i Raphinha rehefa nojerena ny VAR (Video Assistant Referees). Tafaverina tamin'ny lalao ny Barça izay nanindry kokoa tamin'ny ankampobeny na hita ho vizana aza i Lamine Ymal isan'ny andrin'ny ekipa, saingy matin'i Jules Koundé tany amin'ny minitra faha-116 ny baolina, nitondra ny fandresena ho azy ireo. Amboara faharoa ho an'ny Barcelone iny taorian'ny Supercoupe, mbola ambony ihany koa ny herijika hibatany ny LaLiga amin'ity, ary mbola ao anatin'ny hazakazaka tanteraka sy voasokajy ho "favori" mety hibata ny Ligue des Champions na ny LDC 2025 izy ireo. Amin'ny alarobia 30 aprily indray dia efa hiatrika ny lalao manasa-dalana mandroso ho an'ny LDC hifandonany amin'ny Inter de Milan ny Barça.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT