Sport

Kitra - Espaina Nahazo kiana mafy i Zinedine Zidane


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Nahazo kiana mafy dia mafy tamin’ny gazety espaniola maro ilay mpanazatra ny ekipan’ny Real de Madrid taorian’ny faharesen’ny ekipa tantanany 3-0 nanoloana ny Barcelone,

 

 tamin’ny Clasico notontosaina ny sabotsy 23 desambra teo tao amin’ny kianjan’i Santiago Bernabeu. Voalaza fa tena fositry ny faharesen’ny Real de Madrid ny safidy manokana nataon’i Zidane tsy nampilalao an’i Isco fa nampilalao an’i Kovacic. Teo koa ny fahataran’ny nampidirany an’i Gareth Bale sy Marco Asensio efa tany amin’ny minitra faha-72 tany. Tsy manenina amin’ny safidy nataoko aho, hoy i Zidane, fa manana ny fomba hitondrako ny ekipa tantanako. Tsy kivy aho fa fomban’ny lalao baolina kitra no mba resy indraindray. Ny hoavy ny ahy no banjiniko bebe kokoa. Nankahery azy noho ny ezaka vitany tao amin’ny Real tamin’ity taona 2017 ity ny filohan’ny klioba, Florentino Pérez, ka nahazoan’ny Real ny amboaran’ny Liga, Ligue des Champions, ny Super coupe d’Europe sy Espagne ary ny amboaran’ny Mondial des Clubs.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT