Sport

Kitra Eoropeanina – Liga Mieritreritra handao ny Barça i Messi


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Nambaran’ilay mpanao gazety Brezilianina Marcelo Bechler ao amin’ny gazety ara-panatanjahantena malaza Esporte Interativo, izay namoaka ny taona 2017 ny hialan’i Neymar ho an’ny amin’ny PSG

 

 

 

, fa te hiala ao amin’ny FC Barcelona i Lionel Messi taorian’ny taona fotsy ho an’ny kliobany tamin’ity taom-pilalaovana ity. Mandalo krizy tanteraka, indrindra fa ara-pitantanana ny FC Barcelone, fa isan'ny manan-tantara ihany koa ny nanamontsanan’ny Bayern de Munich azy 8-2 teo amin’ny ampahafeha-dàlan’ny Ligue des champions ny faran’ny herinandro teo, kanefa efa tsy nahazo ny amboaran’ny « Liga » tao Espagne. Loharanom-baovao avy ao anatin’ny klioba omaly 16 aogositra io, hoy Marcelo Becheler, ary efa mahalala izany ny mpitantana ny Barcelone, izay mikorapaka tanteraka. Maro mantsy ny mpilalao voalaza fa hamidy, saingy tsy ao anaty lisitra i Messi. Ny taona 2017 nifindrany dia nilaza i Neymar fa tokony hamiratra kokoa noho izao ny FC Barcelone, fa ny mpitantanana no fositra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT