Sport

Kitra – ekipam-pirenena 2021 Mety ho mpanafika kokoa


  • Talata 23 Jolay 2019

Ny teknika fiarovan-tena na hoe “système de jeu défensif” tamin’ny ankapobeny no nampiharin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis,

 

 

 nandritra iny fiadiana ny tompondakan’i afrika na CAN 2019 farany teo iny. Tsy tena niaina tao anaty fanafihana loatra ny Barea fa ankoatra ny fiarovantena dia tany amin’ny lafiny valim-panafihana (contre attaque) no hita ho tena nimasoantsika ary heverina ho lavaka efa fangadin-dry zareo tonizianina io ka antony nahalavo antsika teo amin’ny ampahefa-dalana. Rehefa jerena kosa amin’izao fotoana izao ireo antenaina ho mpandimby dia vinavinaina ho ekipa mpanafika kokoa ny Barea hanao CAN 2021. Eo ilay lohalaharan’i Strasbourg, ao Frantsa, Ludovique Ajorque. Ireo irakiraka afovoany, Jean Freddy Greco, vao 18 taona monja, ary milalao ao amin’ny AS Roma, ao Italia, sy Loic Damour, ao amin’ny Cardiff City, Angletera. Ho hita eo anefa moa ny tohiny raha hisafidy ny hisalotra ny fotsy, mena, maitso ry zalahy ireto na tsia.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT