Sport

Kitra - Diviziona Elite vehivavy Tsy afa-bela tamin’ny ASKAM Itasy ny AC SabNam


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Tsy afa-bela tamin’ny ekipan’ny ASKAM Itasy ny AC Sab Nam Analamanga, fa mbola resin-dry zareo 2-1,

teo amin’ny famaranana ny dingana faha-2 amin’ny baolina vehivavy diviziona “Elite” notontosaina tetsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 2 septambra lasa teo. Ry zareo Sab Nam anefa no nampiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-18 izay nosahalain’ny Askam teo amin’ny minitra faha-45. Tany amin’ny fanalavam-potoana, 105 minitra, no nahafaty baolina fanindroany ny Askam ka nahazoany ny fandresena.

Filaharana vonjimaika :

1-ASKAM isa 16 ; 2-AC Sab Nam sy ny ASOT isa 13 avy ; 3-ASOT ; 4-SOM.

Ny dingana faha-3 farany amin’ity lalao ity dia hotontosaina ny 6-14 oktobra 2017. Miatrika ny fampivondronana eny Carion kosa ankehitriny ireo mpilalao baolina vehivavy Malagasy mendrika amin’ny hiatrehana ny Cosafa Cup vehivavy 2017 hanombaka ny 14 septambra izao any Zimbabwe.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT