Kitra-Cosafa women cup

Ho any Johannesburg ny mpilalao Malagasy


  • Talata 26 Septambra 2023

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

vaovao, dia heno izay fa handray anjara any amin'ny Cosafa women cup atsy Afrika Atsimo isika Malagasy. Efa miomana eny Carion ireo mpilalao 23 voafidy. I Théodore Beatrice no notendrena ho mpanazatra ary ny 1 oktobra izao no hihazo an'i Johannesburg ny ekipa. Ny fifaninana moa dia hanomboka ny 4 oktobra ary tsy hifarana raha tsy ny 15 oktobra. Fa araka ny mahazatra dia tonga dia mangoron-damba ireo tsy mivoaka ny vondrona. Ao amin'ny vondrona A no misy ny Malagasy ary miaraka amin'ny Afrika Atsimo, Eswatini ary Malawi.I Afrika Atsimo ihany no tena taolana fa tokony ho afaka isika indrindra raha nitazona ny tena mahay fa tsy manao ptopagandy hoe asiana avy any amin'ny ligy rehetra. Ny zava-misy mantsy dia efa niova ireo heverina ho sangany sady tsy afaka hztramin'izay matoa lasa tompondaka ny Disciples avy any Betafo.Tokony ireo Disciples ireo izany no betsaka fa rehefa tsy izay dia mbola mety ataon'ny olona lalana toy ny mahazatra indray tamin'ny andron'i Malama izay nanome vahana ny mpilalaon'ny Sabotsy Namehana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT