Sport

Kitra – Cosafa Challenge Cup 42.000 dolara no lokan’ny ekipa mpandresy Hanainga anio amin’ny 3 ora tolakandro ny delegasiona malagasy misy mpilalao 20 hiatrika ny “Cosafa Challenge Cup” izay hatao any Afrika atsimo ny 17-30 mey izao.


  • Zoma 15 Mey 2015

Niatrika lalao fitsapana farany ary nihaona tamin’ny Tana FC moa omaly ny Barea ka tafavoaka nandresy mazava tamin’ny isa 5-0. Baolina roa no efa tafiditra hatreo am-pialan-tsasatra tamin’ny alalan’i Nono

 sy Rinho ary telo kosa tamin’ny fizaram-potoana fah-2 izay tafiditr’i Njiva sy Florent ary Lanto. Ekipa 14 moa no miatrika io fifaninanana kaontinantaly aty Afrika faritra atsimo io ka ny roa amin’izy ireo dia nasaina manokana ahitana an’i Ghana sy Tanzania. Marihina koa fa ireo ekipa 6 mendrika amin’ny filaharana Fifa tonga dia miandry hanao ampahefa-dalana fa tsy miatrika ny fifanintsanana dia i Ghana, Afrika atsimo, Zambia, Mozambika, Malawi ary Botsoana. Ireo valo ambiny no hizara vondrona roa ka ireo roa voalohany isaky ny vondrona no hahazo ny tapakilan’ny ampahefa-dalana. Ao amin’ny vondrona A dia misy an’i Namibia, Maorisy, Seisela, Zimbaboe ary ao amin’ny gropy B kosa ahitana an’i Madagasikara, Lesotho, Tanzania, Swaziland. Goavana sy maro ny loka amin’io. Ireo tafita manao manasa-dalana no ho miakatra dia hahazo loka vola ka ho an’ny lah-4 dia hahazo 8.300 dolara, ny lah-3 hotolorana 10 000 dolara, ny lah-2 haazo 21.000 dolara ary ny tompondaka hahazo 42.000 dolara. Ireo mpilalao mendrika sy mpapidi-baolina be indrindra dia samy hibata 1.650 dolara ihany koa. Ankoatra ireo dia hisy fifaninanana ho an’ireo raraka ka 6.250 dolara ny loka ho an’izay mpandresy. Mikasika ny fandaharan-dalao dia hihaona amin’i Lesotho i Madagasikara ao amin’ny Olympic Park ny 18 mey, i Tanzania kosa ny 20 mey ary Swaziland ny 22 mey. Hitohy hatramin’ny 25 mey moa ny fifanintsanana ary aorian’izay ny ampahefa-dalana.

Rasanda Serge

Ireo Barea 20 :

Mpiandry harato :

1-Randrianasolo Jean Dieu Donne (Cnaps sport Itasy)

2-Ramaritany Damien (Tana FC Analamanga)

Vodilaharana :

3-Fenolahy Zenith (Ajesaia Bongolava)

4-Njakanirina Tobisoa (Cnaps sport Itasy)

5-Randrianirina Tantely (AS Adema Analamanga)

6-Randrianomenjanahary Francois (Tana FC Analamanga)

7-Ratovoarison Adolphe Diop (IFC Analamanga)

8-Andriamanalina Lantoniaina (Tana FC Analamanga)

9-Ratolojanahary Fenosoa (Cnaps sport Itasy)

Irakiraka :

10-Raveloarison Ardino (Elgeco Plus Analamanga)

11-Razanakoto Dina (Tana FC Analamanga)

12-Randriamanjaka Rhino (AS Adema Analamanga)

13-Rajaoniasy Florent (AS Adema Analamanga)

14-Marobe Jean Claude (AS Adema Analamanga)

15-Rabeson Michael (Cnaps sport Itasy)

16-Rabeasimbola Lanto (Cnaps sport Itasy)

17-Sommori Jimmy (Cnaps sport Itasy)

18-Rakotoarimalala Njiva (Cnaps sport Itasy)

Mpanafika :

19-Randria Esthel Shinah (AS Adema Analamanga)

20-Vonimbola Jeannot (Cnaps sport Itasy)

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT