Sport

Kitra – COSAFA 2015 Mpilalao 25 hifantenana ireo hiady any Afrika atsimo


  • Alarobia 06 Mey 2015

Raikitra manomboka omaly eny Carion ny fampivondronana fanomanana ny Cosafa Cup hatao any Afrika atsimo. Taorian’ny fahombiazan’ny beach Soccer dia anjaran’ny baolina kitra lalaovin’olona 11 indray no hotsapaina. Hotanterahina nanomboka omaly talata 5 mey eny Carion ary tsy hifarana raha tsy ny 15 mey fampivondronana fah-3

farany ny Barea hiatrika ny Cosafa Cup izay hatao any Afrika atsimo ny 17-30 mey izao. Ekipa 12 no hiatrika io fifaninanana kaontinantaly io ka i Madagasikara dia tafaraka vondrona amin’ny Tanzania, Swaziland ary Lesotho. Mpilalao 25 no nantsoina hanaraka io fampivondronana io izay miatrika fanazarantena maraina sy hariva eny Carion ary eo ambany fiahian’ireo mpanazatra nasionaly tarihin-dRajaonarisamba Franck, ampian’Andriamirado Emile izay hanomana ny ara-batana, Razafindralambo Jeannot Paul hanomana ireo mpiandry harato ary i Masondahy Dauphin hanomana ny ara-tsaina. Mpilalao avy amina klioba fito eto Analamanga sy Itasy ary Bongolava no mandrafitra ny Barea ka manana solontena be indrindra ao mahatratra valo ny Cnaps sport tompondakan’i Madagasikara, dimy avy kosa ny an’ny Tana FC sy AS Adema samy avy eto Analamanga, telo ny an’ny Elgeco Plus tompon’amboaran’i Madagasikara sy ny Super Coupe, roa ny an’ny IFC ary iray avy ny an’ny Ajesaia Bongolava sy Cosfa Analamanga. Mpilalao 20 no hotazonina farany hihazo an’i Afrika atsimo. Anisan’ny hanaraka ny delegasiona ihany koa ireo mpitsabo, Razafinjatovo Mamy sy mpitsabo amin’ny alalan’ny otra Kasy Jean Robert ary ny mpiandraikidraharaha Rakotoarivony Harisson. Hiatrika lalao fitsapana amina ekipa eto Analamanga moa ny Barea ny faran’ny herinandro izao.

Rasanda Serge

Ireo mpilalao

Mpiandry harato :

1-Randrianasolo Jean Dieu Donne (Cnaps sport Itasy)

2-Ramaritany Damien (Tana FC Analamanga)

Vodilaharana :

3-Fenolahy Zenith (Ajesaia Bongolava)

4-Njakanirina Tobisoa (Cnaps sport Itasy)

5-Randrianirina Tantely (AS Adema Analamanga)

6-Randrianomenjanahary Francois (Tana FC Analamanga)

7-Ratovoarison Adolphe Diop (IFC Analamanga)

8-Bakari Mario (Elgeco Plus Analamanga)

9-Andriamanalina Lanto (Tana FC Analamanga)

10-Ratolojanahary Fenosoa (Cnaps sport Itasy)

11-Elefoni (Tana FC Analamanga)

Irakiraka:

12-Raveloarison Ardino (Elgeco Plus Analamanga)

13-Razanakoto Dina (Tana FC Analamanga)

14-Randriamanjaka Rhino (AS Adema Analamanga)

15-Rajaoniasy Florent (AS Adema Analamanga)

16-Marobe Jean Claude (AS Adema Analamanga)

17-Rabeson Michael (Cnaps sport Itasy)

18-Andriamandimby Tahiry (IFC Analamanga)

19-Rabeasimbola lanto (Cnaps sport Itasy)

Mpanafika :

20-Fanomezana Claudel Bela (Elgeco Plus Analamanga)

21-Sommori Jimmy (Cnaps sport Itasy)

22-Randrian Esthel Shinah (AS Adema Analamanga)

23-Vonimbola Jeannot (Cnaps sport Itasy)

24-Ndimbimahefa Rivoarintsoa (Cosfa Analamanga)

25-Rakotoarimalala Njiva (Cnaps sport Itasy)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT