Sport

Kitra - Copa Coca cola Nisongadina ny SFX sy Ste Famille


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010

Fihaonana efatra tao amin’ny vondrona 1 no nanamarika ny andro voalohan’ny fifanintsanan’ilay fifaninanana Copa coca Cola karakarain’ny orinasa Star, ny alahady teo tetsy amin’ny kianjan’ny Esca Antanimena.

Tsara fanombohana ary nisongadina avy hatrany ny ekipan’ny kolejy ST François Xavier Antanimena izay nanamontsana ny Lycée Farandole 7-0 ary ny Ste Famille Mahamasina kosa nandresy mazava ny Les Joyeux Lurons 4-0. Ireo vokatra roa hafa, adin’ny samy CEG ka ry zareo Ambohimiandra nampiondrika an’Avaradoha 2-1 ary ny fihaonana farany dia niafara tamin’ny ‘tirs au but’ rehefa nisaraka sahala 1-1 hatreo amin’ny faran’ny fe-potoana ara-dalàna 70 minitra ka ny Collège de France no nivoaka nandresy tamin’ny isa 11-10 nanoloana ny kolejy Rasalama. Hitohy ny 2 mey izao ny fifanintsanana ho an’ny vondrona 2 indray. Ny 9 mey kosa ireo lalao ampahefan-dalana. Tsiahivina fa hifantenana mpilalao roa hiofana any Afrika atsimo izay ekipa tompondaka eo.

 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT