Sport

Kitra - Copa Coca-Cola Hitiliana mpilalao roa halefa miofana any Afrika Atsimo


  • Zoma 23 Aprily 2010


Sambany hatao eto amintsika ny “Copa Coca-Cola”, fifaninanana baolina kitra eny anivon’ny sekoly izay karakarain’ny Coca-Cola sy ny orinasa Star. Hetsika efa fikarakaran’ny Coca-cola hatry ny ela amin’ny firenena maro ity fifaninanana ity izay iarahany miasa amin’ny federasionin’ny kitra maneran-tany na FIFA ary natokana ho an’ireo sokajy 13-15 taona. Tanjona ny fitiliana ireo talenta sy taninketsa any an-tsekoly. Ny alahady izao no hanomboka ny fifanintsanana ary ny 16 mey ny famaranana ka etsy amin’ny kianjan’ny Esca Antanimena avokoa no hanaovana ny lalao rehetra. Ekipa 16 avy amin’ny sekoly, kolejy sy lycée miankina sy tsy miankina eto an-drenivohitra no handray anjara amin’ity andiany voalohany ity ary nambaran’ireo tompon’andraikitra fa hatao isan-taona ny fifaninanana manomboka izao ary hitatra any amin’ny faritra hafa. Ny alahady 25 aprily sy ny alahady 2 mey izao no hanatanterahana ireo dingan’ny fifanintsanana ary ny 9 mey ny ampahavalon-dalana. Ny 16 mey kosa ny manasa-dalana hatrany amin’ny famaranana. Anisan’ny loka hampiavaka ity fifaninanana ity ny fifantenana mpilalao roa avy amin’ny ekipa tompondaka amin’ny alalan’ny fanaovana “tirs au but” ka izay roa mendrika indrindra no halefa any amin’ny foibem-piofanana any Afrika atsimo. Marihina fa hiandry ny tsatoby amin’io sivana farany io ny mpiandry harato ao amin’ny Barea. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1998 no nanaovana voalohany ny “Copa Coca-Cola” tany Mexique. Firenena maro izao no efa manao azy ity toa an’i Etazonia, Bresil, Alemainina, Afrika atsimo, Kenya…Vita omaly moa ny antsapaka nandrafetana ny fandaharan-dalaon’ny fifanintsanana.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT