Sport

Kitra - Cnaps Sport Nankasitrahana ireo atleta sy mpilalao baolina kitra nitondra avo ny fanevam-pirenena


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Notoloran’ny Cnaps fankasitrahana manokana ireo atletany namiratra amina taranja samihafa tamin’ny fandraisana anjara tamina fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ity taom-pilalaovana ity.

Anisan’izany i Eliane Saholinirina sady mila ravinahitra any Frantsa izay tompondakan’i Frantsa amin’ny 3 000m sy ny  3 000m misy fefy, nahazo medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy tany La Réunion. Anisan’ireo nankasitraka koa i Elodie Embony Vanessa izay tompondakan’i Madagasikara amin’ny 100m, 200m, 4x400m ary nahazoany medaly volamena avokoa ireo tamin’ny Lalaon’ny Nosy. Ankotra ireo Saholy Eugenie izay nahazo ny medaly volamenan’ny 4x400m tany La Réunion niampy ny volamenan’ny 800m. Atleta nisongadina ho an’ny lehilahy kosa Rakotonirina Nicolas sy Rabemihoatra Solonirina ary Ranaivoarivelo Ando. Ho an’ny baolina kitra dia voahosotra ho tompondaka ny klioban’Itasy, mpilalao valo no nanatevina ny Barea tamin’ny Cosafa Cup farany teo dia Randrianasolo Jean Dieudonné na i Leda, Tojo, Jimmy Simouri Olivier, Rakotoarimalala Njiva, Rabehasimbola Lantonirina, Vonimbola Jeannot na i Nônô, Mika ary Toby Njakanirina ary mbola valo toy izay koa amin’ny fihaonana amin’i Angola ny alahady izao. Nankasitrahana manokana moa i Vonimbola Jeannot izay mpampidibaolina be indrindra an’io Cosafa io. Nitondra ny lokon’ny Cnaps tany amin’ny Mondial Beach Soccer tany Portugal kosa i Pierralit. Sady nanandratra avo ny voninahitry ny orinasa moa izy ireo no nitondra ambony ny fanevam-pirenena ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT