Sport

Kitra CHAN 2020 Tafita ny BAREA…


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Tafita any amin’ny dingana faha-3 amin’ny fifanintsanana baolina kitra CHAN 2019 na fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny

 

 

ekipam-pirenena tsy ahitana mpilalao mpila ravinahitra any ivelany ny Barean’i Madagasikara na dia resin’i Mambas Mozambikana tamin’isa 3 no ho 2 aza omaly alahady 04 aogositra tatsy Maputo Mozambika teo amin’ny lalao miverin’ny dingana faha-2 amin’ity Chan andiany faha-6 ity. Rehefa natambatra mantsy ny isa azon’ny roa tonta tamin’ny lalao mandroso natao tetsy Mahamasina tamin’ny 28 jolay lasa teo sy ity lalao miverina tontosa omaly tany Maputo ity dia nitovy ny isa azon’ny roa tonta saingy noho ny baolina 2 matiny antanin’olona no nahatafita ny Barea Malagasy. Tsiahivina fa efa nitarika 3-0 teo am-pialan-tsasatra ry zareo Mozambikanina saingy teo amin’ny fidirana faha-2 kosa dia nahazo isa 2 be izao ny Barea ka izay no antony nahatafita azy. Amin’ny 20 na 21 na 22 septambra 2019 no hihaona amin’io dingana faha-3 io ny Barea Chan sy Namibie ary any amin’ny 18 na 19 na 20 oktobra 2019 ny lalao miverina. Mitohy izany hatreto ny fahombiazan’ny hoe Alefa Barea ho an’ny baolina kitra Malagasy ary antenaina fa hitohy amin’ny Alefa Fosa Juniors izany amin’ny alahady 11 aogositra 2019 izao, eo amin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka ka handraisan-dry zareo ny ekipan’ny Pamplemousses  avy any Maorisy ao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT