Sport

Kitra – CHAN 2011 Saika resin’ny Barea ny Palancas Negras


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Nisaraka sahala tsy nisy nitoko ny Barean’i Madagasikara sy ny Palancas Negras-n’i Angola omaly tao amin’ny kianja sentekika Rabemananjara, tafiditra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ireo ekipa nasionaly tsy mampilalao mpila ravinahitra (CHAN) izay hatao any Soudan amin’ny 2011 ny dingan’ny famaranana.

Io rahateo no lalao iraisam-pirenena nisantarana ity kianja manara-penitra ity. Mbola nifampitsapatsapa ny ekipa roa tonta tamin’ny fidirana voalohany. Nanindry kosa ry Sedera sy ny namany vao nanomboka ny 45 minitra faharoa. Nisongadina rahateo ny fahaiza-miaraka teo amin’ny Ajesaia sy Akademia. Teo amin’ny minitra faha-66 no nahazo penalty ny Barea, fahadisoana tamin’i Bolida tao anaty surface de réparation saingy tsy matin’i Yvan ny baolina fa naverin’ny tsatoby. Mbola tokony ho nahafaty ny Barea taty amin’ny roa minitra farany, tolotr’i Sedera, kapiteny ho an’i Carolus izay efa nanoloana ny harato fa mbola nasavoanany indray ny baolina. Marihina fa lava ranjanana sady teknisianina ny Angoley. Ny lalao miverina hatao any Luanda amin’ny 28 martsa izany no hamaritra ny tohin’ny tantara.

 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT