Sport

Kitra – Chan 2011 Lavon’ny Barea 2-0 ny Cnaps


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Niatrika ny lalao fitsapana farany omaly tolakandro tetsy Mahamasina ny Barea nihaona tamin’ny Cnaps ary nivoaka nandresy tamin’ny isa 2-0, baolina izay nosoniavin’i Jeannot Vonimbola (Nono), mpanafiky ny Tana Fc avokoa.

Tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany avokoa ireo baolina roa ireo. Mbola ny ekipan’Ampatsakana no nandindona tamin’ny fanombohan’ny lalao ka anisan’ny nanambana an’i Kandy mpiandry harato ny daka mandrivorivon’i Rado izay nidona tamin’ny tsivalam-by ary efa niilana kely tany anaty faritry ny ati-harato mihitsy saingy tsy maty, hoy ny mpitsara. Nanomboka nanindry kosa ry Sedera sy ny namany taty amin’ny 30 minitra nilalaovana ka nanandrana tifi-davitra koa i Carolus saingy naverin’ny tsivalam-by. Tsy ela taorian’izay ny ny baolina voalohany azon’ny Barea izay nampidirin’i Nono (35’) ary dimy minitra taorian’io no namonoany ny faharoa (40’) rehefa voafitany hatramin’i Anathole mpiandry haraton’ny Cnaps izay nivoaka lavitry ny harato. «Ny lafiny taktika no tena nohamafisinay mba ahafahana mametraka tsara ny paikady. Hivondrona foana ireo mpilalao eny ambony kianja, izany hoe hiara-hanamafy ny fiarovana nefa hanafaingana miaraka ny fanafihana», hoy Rasoanaivo Titi mpanazatra. Anio antoandro no hanainga ny delegasiona malagasy hihazo an’i Angola hiatrika ilay lalao miverin’ny fifanintsanan’ny CHAN 2011 izay hatao ao Luanda ny sabotsy izao amin’ny 7 ora hariva, ora eto amintsika.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT