Any Mahajanga no manohy ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara taorian’ilay lalao mandroson’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (CHAN 2011) nifanandrinany tamin’ny Palancas Negras-n’i Angola izay natao tao amin’ny kianja Rabemananjara any alahady teo.
Amin’ity herinandro ity ihany anefa ny Barea no manoman-tena any amin’ny renivohitr’i Boina fa hiakatra eto an-drenivohitra indray izy ireo ny faran’ny herinandro izao. “Ho sarotra io lalao miverina io ka hametraka paikady hiatrehana izany izahay satria tsy maintsy hitady fandresena na dia hilalao an-tanin’olona aza, amin’ny alalan’ny sahala 1-1 na 2-2. Hanamafy ny vodilaharana izahay ary azo heverina koa ny hitady sahala 0-0 aloha dia avy miady ny tohiny. Anisan’ny hamafisinay koa ny lafiny famaranana izay lesoka tamin’ilay lalao mandroso teo”, hoy Rajaonarisamba Franck mpanazatra. Hiatrika lalao fitsapana ny Barea ny zoma izao ary hihaona ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’ny Boeny. Ny sabotsy na alahady kosa dia hitodi-doha hiverina eto Antananarivo hanomana ireo taratasy ilaina amin’ny fiazoana an’i Luanda izay hanaovana ny lalao miverina ny 28 martsa ary ny 24 martsa ny delegasiona no hanainga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.