Sport

Kitra – CHAN 2 : Mpilalao efatra hafa nantsoina hanatevina ny Barea


  • Talata 02 Martsa 2010

Nanomboka omaly ary hitohy hatrany amin’ilay fihaonana amin’i Angola ny 14 martsa izao, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (CHAN andiany faha-2) ny fampivondronana ny Barea.

Mpilalao miisa 25 no manaraka ny fanazarantena iombonana tarihin’ireo mpanazatra telo mirahalahy, Rajaonarisamba Franck sy Rasoanaivo Etienne ary Razafindrakoto Mamisoa. Mpilalao telo no nesorina tamin’ireo teo aloha efa nanaraka ny fampivondronana voalohany ary voatazona avokoa ireo 20 ambiny. Efatra kosa ny vao nantsoina dia i Bruno (As Adema) mpiandry harato fahatelo, Elysée (Ascum) sy Lanto (Tana Fc) samy vodilaharana ary i Toavina (Ajesaia ) izay lohalaharana. Heverina fa afaka hifantoka tsara amin’io lalao iraisam-pirenena voalohany ho an’ny Barea io izany ireo mpilalao sy mpanazatra satria samy efa tsy misy manohy ny fifaninanana afrikanina ho an’ny klioba intsony. Ekipa goavana efa mpiatrika ny amboara eran-tany ary vao avy nampiantrano ny CAN farany rahateo no hihaona amintsika ka tsy tokony hanaovana tandrevaka sao hanala-baraka hihoapampana ny vokatra.

Hery Rabe
 
Mpiandry harato :
Rambelomasina Kandy (Japan)
Salimo (Jos Nosy be)
Rajaozara Bruno (As Adema)
 
Vodilaharana :
Randriamparany Sedera (Ajesaia)
Razaka Elysée (Ascum)
Njakanirina Tobisoa (Akademia)
Rakotoarinosy Valery (As Adema)
Vitazara Mélin (Akademia)
Randrianarisoa Mamy (Ajesaia)
Randrianarisoa Tahiana (Tana Fc)
Andriamanalina Lanto (Tana Fc)
Andriamampionona Urbain (Akademia)
Radahy Yasser (TCO Boeny)
 
Irakiraka :
Andrianambinintsoa Tahiry (Ajesaia)
Rambeloson Tohavina (Ajesaia)
Rabeasimbola Lanto (Ajesaia)
Raveloarison Marcellin (Japan)
Rajoarimanana Yvan (Japan)
Nomenjanahary Lalaina (Ajesaia)
Rabenasandratra Tovo (Akademia)
Tsiala Kennedy (As Adema)
 
Lohalaharana :
Andriamahitsinoro Carolus (Akademia)
Amada Ibrahim (Akademia)
Vombola Jeannot (Tana Fc)
Fagnorena (Japan)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT