Sport

Kitra – CENI Handalo sivana ireo kandidŕ vao azo fidiana


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Nifarana ny sabotsy 27 febroary teo ny fahafahana milatsaka hofidiana ho filohan’ireo seksiona sy ligy ho an’ny taranja baolina kitra araka ny daty efa napetraky ny vaomiera mahaleotena votendry hisahana ny fifidianana (CENI) izay tarihin’ny filohany, Rakotoniaina Pascal.

Nambaran’ity vaomiera ity fa hisy ny fandinihana sy fizahana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana rehetra ahafahana manao sivana ireo mendrika sy afaka hifaninana na tsia. Isan’ny masontsivana hojeren’ity vaomiera ity ny fahafenoan’ny antontan-taratasy notakiana raha ampy sy ara-dalàna tokoa. Ny 13 martsa izao no daty nomen’ity vaomiera ity fa hamoahan’izy ireo ny lisitr’ireo tena afaka hiatrika ny fifaninanana hitantana ireo rafitra samihafa eo anivon’ny kitra. Nomarihin’ireto farany fa anjaran’ireo mpitantana eny anivon’ny seksiona sy ligy ary federasiona ihany no manomana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fifidianana.

Hisy ihany koa ireo fifidianana izay handefasana solontenan’ity vaomiera ity hanara-maso manokana ho an’ireo izay mila izany araka ny fahitan’ity vaomiera ity azy ihany. Tsy misy miova moa ireo daty hanaovana ireo fifidianana isan’ambaratongany ka ny 19-21 martsa ny an’ireo seksiona, ny 26-28 martsa ny an’ireo ligy ary ny 3 aprily ny an’ny federasiona. Anisan’ny niteraka resabe teny anivon’ny mpitazana mikasika ity vaomiera mahaleo tena ity moa ny fahitana ireo ekipan’i Ahmad mandrafitra izany raha tsy hilaza afa-tsy ny filohany, Rakotoniaina Pascal izay nanao ny audit an’ny federasiona ihany.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT