Sport

Kitra - CAN U23 Tompondaka i Nizeria


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Mitohy ny fahombiazan’ny kitra nizerianina. Taorian’ny nahavoahosotra ho tompondaka erantany ny latsaky ny 17 taona sy ny nandrombahan’ny latsaky ny 20 taona ny tompondakan’i Afrika,

 

 dia mbola lasan-dry zareo koa ny amboara latsaky ny 23 taona, nandritra ny famaranana natao tao amin’ny kianja Léopold Sedar Senghor, Dakar - Senegal, ka nandresen’i Nizeria an’i Alzeria tamin’ny isa 2-1. Lalao izay teratany malagasy Hamada Nampiandraza no nitsara azy.

I Afrika Atsimo no laharana fahatelo nameno ny lapihazo, raha nanilika an’i Senegal mpampiantrano tamin’ny « tirs au but » 3 no ho 1 rehefa nirava ady sahala tsy nisy nitoko ny roa tonta nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Nizeria, Alzeria ary Afrika Atsimo izany no hisolotena an’i Afrika amin’ny Lalao Olympika hatao any Rio Brezila amin’ny 2016.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT