Sport

Kitra - CAN Total Notazonina ny mpikarakara ny andiany 2019, 2021 ary 2023


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

Nivory tany Le Caire Ejipta tamin’ny alarobia 11 oktobra 2017 ny vaomiera mpanomana ny CAN TOTAL karakarain’ny CAF

Fivoriana kaomisiona voalohany taorian’ny nanendrena azy ireo izy ity ka amin’ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’izy ireo dia Atoa Ahmad filohan’ny CAF mihitsy no nitarika ny fivoriana natao. Nambarany tamin’izany fa tsy hiverenana intsony ny fanapahan-kevitra efa noraisina  tany aloha dia ny hanatanterahana ny lalao CAN TOTAL 2019 sy 2021 ary 2023 any Cameroun sy any Côte d’Ivoire ary any  Guinée. Ny andraikintsika aloha manomboka izao dia ny manampy ny fandraisan’i Cameroun ny CAN 2019 izay akaiky indrindra amin’ny fomba vaovao sy manampy azy hanatratra ny bokinandraikitra ho amin’izany.

-  Edouard Ngaissona (rapporteur)                               

Nambaran’ny filohan’ny CAF ihany koa farany fa isaky ny misy ny fivoriana ataon’ny Kaomisiona mpikarakara ny hetsika CAN TOTAL dia hasaina hanatrika izany hatrany ho mpanara-maso ny Komity mpanohana ny CAN TOTAL Camerou 2019 sy ny mpikambana iray hafa finidiny hiaraka aminy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT